πππππππππ : πππ ππππππππβππ ππππππ ππππππππ ππππππππ π πππππππππ (πππππ) ππ πππππππ πππππππππ πππππππ ππππππππππππ
Β Β Tsy takona afenina ny zava-misy ao aminβny kaominina Mampikony fa indrindra aminβizao fifidianana Benβny tanΓ na sy mpanolotsaina ny tanΓ na izao.
Β Β Tsikaritra fa mirona manohana kandida tsy miankina (NΒ°05) ireo mpanohana sy mpiaramiasa (STAFF – Assistant Parlementaire) anβny Depiote amperinasa ao Mampikony. Depiote izay lany taminβny antoko IRMAR na volomboasary manohana fitondrana mijoro ankehitriny.
Β Β Tsy tafiditra ho kandidam-panjakanaβ nahilika fa tsy mahafa-po ary tsy mahatohitra anβi GERARDIN ny olona natosiky Depiote io ka naleonβantoko nitady olon-kafaβ azo antoka fa hibata fandresena ary afaka hitondra fampandrosoana hoanβny kaominina Ambonivohitra Mampikony no tohananaβ hoy ny fanehoan-kevitrβireo olom-pirenena manaraka toe-draharaha ao an-toerana.
Β Β Kandida avy tao aminβny Fikambanana Gomabe Sofiaβ Mpampianatra – Mpanabe manana ny maha izy azy sy ny tanjany moa i GERARDIN kandida NΒ°04β izao noraisinβny vondrona politika IRMAR ho kandida amin’ny fifidianana Ben’ny TanΓ na izao.
Β Β Midika ve izany fa tsy to-teny eo anivon’ny antoko IRMAR intsony ny Depiote voafidy tao Mampikony izay tsy nahatafiditra ny kandida tohanany ao anaty vondrona parlemantera misy azy ao aminβny kaominina Ambonivohitra Mampikony sa inona no mety ho antony ? Hiraviravy tΓ nana sa hanohana kandida natolotry IRMAR ingahy Solombavambahoaka ? sa hanohy ny fanohanany ilay kandida noeritreretiny izay voatery nirotsaka aminβny anarany tenany manokana (indΓ©pendant) ? Fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao fa arahintsika eto ny mety ho tohinyβ fa ny fanehoan-kevitrβireo mpiaramiasa akaiky Depiote tatoato dia efa afaka hitarafana fa tsy manohana io kandida IRMAR aminβny fifidianana Benβny tanΓ na io izy sy ny ekipany.
Β Β Marihina fa tafiditra avokoa ny ankamaroany kandida natolotry Depiote amperinasa ioβ hoanβny kaominina any Ambanivohitra anaty Distrika Mampikony raha ny angom-baovao voaray…