πππππ ππππππππππππππ : ππππππππβ πππππ-πππππ πππππππππ πππΓππ ππππππ πππππππππ – ππππ ππππ ππππππ πππππβππ π ππππ π πππ πππππππππ
Β Efa hatraminβny 05 Jona 2024 no tsy hita popoka ity mpitsaraβ Solon-tonia mpampanoa lalΓ na ambony ao Mahajanga izay fantatra aminβny anarana Rakotondravony Henri ityβ raha nandeha nanatitra voka-pifidianana ny Distrika Marovoay any aminβny CENI foibe no nialany tao Mahajanga sady nikasa hividy fiaraβ ary nanao andrana ilay fiara ho vidiny izy no nisy namono ity araka ny fanazavana voaray.
Omaly 19 Jona 2024 taminβny 04 ora maraina vao hita nisy nandevina tao Antsahadinta Antananarivo ny vata-mangatsikanyβ efa tsy ahaizana azy intsony ary efa simba tanteraka ny tarehiny sy ny vatany.
Β Olona 02 no efa voasambotra hatreto voasaringotra aminβity raharaha ity. Mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo tomponβantoka sy mpiray tsikombakomba aminβizao habibiana nahazo ny Mpitsara Malagasy ity.
Β Raha ny fampitam-baovao voaray ihany koa dia sabotsy 22 Jona 2024 izao no hiala ao Antananarivo ny Razanaβ hoentina ao Befotaka Avaratra – Distrika Analalava Faritra Sofia. Raha tsy misy fiovana ihany koa dia ampandalovina ao aminβny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy izy ny alahady 23 Jona 2024.
Β Raha ny fampitam-baovao voaray ihany y azy handry am-piadanana ary mankahery ny fianakaviambenβny Mpitsara Malagasy.