ππππππππππβππ π ππππππ πππ ππ : ππππππππ πππππππππ ππππ βππππππππππ – ππππππ – πππβ πππππ πππππππππππππ ππ ππππππ’πππππππππππ ππ πππππππ πππππ π ππππππ
Β Β Manomboka izao dia tsy ekena ireo mitonona ho orinasa lehibeβ miditra antsokosoko miasa sy manao tsinontsinona ny vahoaka ary tompon’andraikitra ara-panjakana ato aminβny faritra. Milaza hanao fambolen-kazo aty ny sasany kanefa olona avy any anivon-tany lavitra any hoentinaβ izay tsy afaka miaro sy mamono afo aty akory raha sendra misy olΓ naβ toraka izany koa ireo milaza hanao fanadihadiana momba ny zavatra atyβ na fomba fifandraisany aminβolona aza mampanahirana ka tsotra ny hafatraβ aleo omena vahana ny zanaky ny faritra Sofia raha zavatra mbola vitany ato anaty faritra. Ireo orinasa manambany sy manivaiva ny zanaky ny faritra sy tompon’andraikitra ato aminβny faritra io ihany koa andraisana fepetraβ hoy ny Jeneraly LYLYSON RenΓ© de Rolland – Governora Faritra Sofia nandritra ny fananganan-tsaina niraisanβny tompon’andraikitra ara-panjakana tao aminβny lapanβny faritra Sofia androany 01 Jolay 2024.
Β Β Miantso ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ho sahy hijoro raha misy vina sy tetik’asa hiasa sy hampiasa olona aminβny faritra Sofia ny Governoraβ mba hanao lohalaharana ny zanaky ny faritraβ ary ny hanamafy ny fanarahamasoβ hisiany vokatra tsara. Namafisiny rahateo fa vonona hanabevohoβ hiaro ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ifotony izay iharany tsindry ataonβireo lehibe misahana ny tetik’asa aty ifotony ihany koa izy.
Β Β Niatrika ny fotoana teto ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy sy ireo mpikambana anivon’ny OMC Sofia ary ireo Talem-paritraβ tompon’andraikitra lehiben’ny sampandrahara maro.