π πππ ππ πππππ ππ ππππππ πππππππππ πππππ ππ πππππππβ ππππππππ πππππππππ : πππππππππππ π ππππππππ ππ πππππππ
Β Β Nomarihina ny farany herinandro teo ny faha-03 taona ny sekoly tsy mianaka Pascaline Roger ao aminβny kaominina Maroala Distrika Antsohihy. Tafakatra 450 ny mpianatra manovo fahalalana ato aminβizao raha 150 nanombohana azy ny taona 2021.
Β Β Raha tiana ny hisiany fampandrosoana aminβny faritra na firenena iray dia omeo fahalalana ary vokiso fahazana ny ankizy na ny tanora ao fa ireny ihany no hitondra fampandrosoana sy hampihatra ny fahaizany aminβny sehetra izay maha matihanina azy. Manomboka avy aminβny fanabezana fototra no hamaritana sy handrafetana ny ho avyβ koa mamporisika atsika hampiditra Zaza hianatra fa tsy hanenenana ny mampiana-janakaβ hoy Pascaline Dorissine Randrianoroβ vehivavy mpandraharaha nanorina ny sekoly tsy miankina ao an-toerana.
Β Β Zato isan-jato ny valim-panadinana CEPE sy BEPC hatrizay ary tsy mena-mitaha aminβny sekoly hafaβ araka ny fanazavana.
Β Β Omby 02 no lavo nanaovana nofon-kena mitam-pihavanana nandritra ny lanonanaβ izay natrehinβny lehiben’ny fokontany 07 mandrafitra ny kaominina sy ny vahoaka ao anatiny. Resilahatra ny ankamaroanβny vahoaka izay tonga niatrika ny fotoana fa tena ilaina ny mampiana-janaka.