ππ ππππππππ – πππππππππ : πππππ πππππ πππ ππππππππ πππππ πππππ ππ πππππππ ππππ π ππππππππ ππππππππ πππ
Β Β Tokony ho taminβny 09 ora alina androany 23 Septambra 2024 no tonga nanafika tranonβny Adjoint Chef fokontany Ankerika Sud ireo dahalo mirongo basy am-polony.
Β Β Tsy fantatra mazava izay tena antony fa basy nirefodrefodra no nanaitra ny manodidina ka tsy nisy sahy nivoaka. Maty notifirinβireo dahalo ny adjoint Chef fokontany avy eo nidorany tao anaty tranoβ raha ny fampitam-baovao voaray.
Β Β Tao anaty trano ity ihany ny vadiny sy ny zanany 02 lahy (08 taona ny zandryβ 10 taona ny zoky). Efa lasa ireo dahalo vao afaka nivoaka tao anaty trano niredareda nodoranβny dahalo io izy 03 mianaka sady namoaka ny vata-mangatsikanβitompokolahy niaraka taminβny fokonolona.
Β Β Efa any an-toerana ny Zandarimaria izay tsy mbola nahazahoam-baovao hatreto.
Β Β Tsikaritra tatoatoβ toa zary ho fahazaran-dratsinβireo tsy mataho-tody ny mitifitra sy mandoro trano ary efa nahitana izany tranga izany tao aminβny fokontany Androibe kaominina Ankerika ny Talata 17 Septambra teoβ izay namoizana ainβireo JAMA roalahy.