πππππππππ : ππππππ ππ π ππππππππππ-ππππ ππππππ πππππππ
Β Β Tsy mipetraka ao aminβny birao na manao domy araka ny fanambanianβny sasany azy ihany ny Zandarimaria fa midina ifotony manao hazalambo ireo dahalo mpampihorohoro vahoaka ary mifampitifitra aminβizy ireo ka misy indraindray lavo ampanaovana asa ary indraindray koa mahafaty dahaloβ midika izany fa mihatra amanβaina ny asa fampandriana fahalemana saingy efa nivoady hoanβny Tanindrazana ny mpitandro filaminana.
Β Β Nisy ny fisafoana natao aminβireo toerana mampiahiahy sy itoeranβireo dahalo. Tokony ho taminβny 04 ora marainaβ nifanehitra taminβny dahalo miisa 06 ny Zandary tarihinβny komandy ny vondron-tobim-paritra Antsohihy izay any ifotony ka raikitra ny fifampitifirana tao Matsaborimilanja, fokontany Ambolodibe kaominina Anahidrano Distrika Antsohihy.
Β Β Tsy nisy aina nafoy na teo aza ny fifampitifirana anaty ala sy aizina vao marainaβ nirifatra nandositra ireo dahalo fa tavela teo kosa ny basy lava vita tΓ nanaβ henanβomby – fenβombyβ tavohangy labiera maroβ kojakojan-dakoziaβ sakaosy misy fanamiana marmara ary omby 05 avy nangalarinβizy ireo.
Β Β Nahiditra valam-pamonjana (fourriΓ¨re) Anahidrano ireo omby koa asaina haka izay tompony. Mitohy ny ezaka atao ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary famongorana ireo dahaloβ araka ny fanazavana voaray.