ππππππ πππ ππππβπ ππππππππππππ : ππππ πππ ππ π πππππ ππππππ
Β Β Ny 14 novambra lasa teo no nanatontosa fivoriambe tao Antananarivo ny antoko NY SAFIDINβI MADAGASIKARAβ voafidy taminβizany ny filoha vaovao mitarika ny antoko Andriamatoa Nirina RAKOTOARIJAONA. Napetraka ho filohamboninahitra kosa ny filoha mpanorina ny antoko dia ny Jeneraly DΓ©sirΓ© RAKOTOARIJAONA. Efa voapetraka sy voafidy taminβio fivoriambe io ireo mpikambana mandrafitra ny birao maharitra.
Β Β Antoko velona eto aminβny firenena ny antoko NY SAFIDINβI MADAGASIKARA. Nijoro taminβny taona 1995, ary mbola mijoro hatramin’izao. Aminβny maha antoko miaina eto aminβny firenena repoblikana azy dia hitondra ny anjarabirikiny aminβny raharaham-pirenena rehetra fa indrindra izay hita fa mahatsara sy mahasoa ity tanindrazana iombonana ity ny antokoβ raha ny fanazavana.
Β Β Ao anatinβny fiatrehana ny fifidianana benβny tanΓ na sy mpanolotsaina, izao dia tsy manana kandida natolotra aminβny anarany ny antoko NY SAFIDINβI MADAGASIKARA fa nisafidy ny hanohana kandida kosaβ ka manao antso avo ho anβireo rafitra mpikirakira fifidianana izy ireo mba hijoro hatrany aminβny fanajanaβ ny tsy fitanilana sy ny ara-dalΓ na ho antoky ny fifidianana madio, tsy mitanila ary hekenβny rehetra. Manentana ny olom-pirenena ihany koa mba handray anjara mavitrika aminβny latsa-bato aminβny 11 desambra ho avy io.
Β Β Tsy tokony hiraviravitanana isika vahoaka fa ny fifidianana ihany no ahafahana mitondra aminβny fanovana eto aminβny firenena. βHandeha harenina ny firenena ho fanohizana ny tolonaββ hoy ny mpitarika antoko.