๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ – ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐๐โ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐
ย ย Hatraminโizao tsy mbola nisy azo ireo fanomezana na loka nampanantenaina anโi Anne Marie Longchamp Miss รฎle de Madagascar 2024.
ย ย Vola antsasanโny saran-dalana no mba azony herintaona taoriany fifaninanaโ tsy mandray antso no tsy mamaly โmessageโ ireo mpikarakara rehefa anontaniana momba ny saran-dalana sy ireo loka azony aminโny maha mpandresy azyโ nisalotra ny anaram-boninahitra Miss Madagascar 2024โ raha ny fanazavana voaray.
ย ย Nataonโireo mpikarakara Miss et Mister รle de Madagascar ho fitadiavam-bola fotsiny ireo Tanora Malagasy mifaninana aminโio sehatra iray io. Mianton-tena izy ireo mamonjy fifaninana any Antananarivoโ asaina mivarotra tapa-kila aminโny sarany lafo izy ireo ka izay mahalafo betsaka no mana-tombo ankoatrany naoty omeny Mpitsara. Azo eritreretina fa izay manam-bola sy manana fianakaviana mahitahita afaka mividy tapakila maro no hivoaka mpandresy aminโny fifaninana ataoโ hoy mpanakanto iray manana fifandraisana aminโi Anne Marie Longchamp naneho ny heviny sady namaky bantsilana ny fikafika sy fanararaotana ataonโireo mpikarakara aminโny fifaninana Miss & Mister รle de Madagascar.
ย ย Nambaranโio mpanakanto io fa nitadiavana hirikaโ sy fomba hamotehana azy tsy hivoaka mpandresy i Anne Marie Longchamp fa tsy nahitana hevitra. Betsaka ihany koa ireo mpifanina mitaraina momba io Miss & Mister io fa tsy misy sahy mivoaka ampahibemaso. Hita taratra ary nibaribary nandritra ny fifaninana farany teo iny fa misy zavatra hafahafa sy tsy mazava ny momba io fifaninana io ka tokony handray fepetra mifanaraka aminโizany ny fitondram-panjakanaโ hoy hatrany ny fanehoan-kevitra nisesisesy tatoato.
ย ย Tsy mbola nitondra fanazavana moa ny mpikarakara Miss & Mister รฎle de Madagascar izay nahazo fanakianana mavaivay hatreto ka arahintsika eto ihany ny mety ho tohiny…