ππππππππππππ πππππππππ : ππππππ ππ πππππππππ ππππ ππππβππππ ππππππ ππππππππππππππ πππππππ
Β Β Nalaza tatoato fa mandrefy ny mpitandro filaminana ireo dahalo ary tena sahy tokoa mitifitra sy mandoro tranonβolona. Tsy miraviravy tΓ nana manoloana izany ny Zandarimaria ao aminβny vondron-tobim-paritra Antsohihy izay mifehy Distrika 03 ato aminβny faritra Sofia (Antsohihy – Analalava – Bealanana)β fa mandray ny andraikitra tandrify sy miara-misalahy aminβny fokonolona na fanomezam-baovao marina sy ara-potoana fotsiny dia efa zava-dehibeβ hoy ny fanazavana.
Β Β Nisehoanβny halatr’omby tao aminβny fokontany Marovato Sudβ kaominina Ambarijeby Sud Distrika Analalava omaly tokony ho taminβny 02 maraina. Nisy ny fanarahandia natao ary hita nisy namatotra anaty kiritr’ala ireo omby lasa ireo ka natao andrimaso mba hisamborana ny olona nangalatra azy. Tokony taminβny 04 maraina androany 24 Septambra 2024 no tonga naka ny omby ilay olon-dratsyβ Β«Aza mihetsikaΒ» hoy Zandary fa tsy nijanona ary nandositra namonjy ireo namany any Kizo i Jaomaneva dit Dinera ka voatery nampiasa fitaovana teny ampelatanany ireo Zandary nitifitra ka nahalavo azy.
Β Β Toraka izany koa tao aminβny kaominina Anjiamangirina Distrika Antsohihy. Voasambotra i Herinot izay nangalatra omby tao Antsakoamirantinaβ efa nihaiky ny heloka vitany sy nanaiky hanambara ireo namany saingy nandositra sy nampitandremana 03 km tsy hidirana Antsakoamirantina ka maty voatifitra. Dahalo mpamerin-keloka efa nigadra ny taona 2023 fa mbola nanohy ny asa ratsiny rehefa tafavoaka araka ny fanazavana voaray.
Β Β Mitohy ny ezaka ary atao hazalambo ireo dahalo mpampihorohoro vahoaka mba hisiany fandriampahalemana maharitra araka ny fanazavana.