a
FandraisanaPolitika𝐓𝐆𝐕 𝐁𝐄𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : π“π’π˜ πŒπ€ππŠπ€π’πˆπ“π‘π€πŠπ€ β€œπ‚πŽππ‘π„π’πˆπƒπ„ππ“β€ ππŽπ“π„ππƒπ‘π„ππ€ π“π€πŒππŽπŠπ€ π’π˜ π“π’π˜ ππ€ππƒπ€π‹πŽ π…πˆπ…πˆπƒπˆπ€ππ€ππ€

𝐓𝐆𝐕 𝐁𝐄𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : π“π’π˜ πŒπ€ππŠπ€π’πˆπ“π‘π€πŠπ€ β€œπ‚πŽππ‘π„π’πˆπƒπ„ππ“β€ ππŽπ“π„ππƒπ‘π„ππ€ π“π€πŒππŽπŠπ€ π’π˜ π“π’π˜ ππ€ππƒπ€π‹πŽ π…πˆπ…πˆπƒπˆπ€ππ€ππ€

𝐓𝐆𝐕 𝐁𝐄𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 : π“π’π˜ πŒπ€ππŠπ€π’πˆπ“π‘π€πŠπ€ β€œπ‚πŽππ‘π„π’πˆπƒπ„ππ“β€ ππŽπ“π„ππƒπ‘π„ππ€ π“π€πŒππŽπŠπ€ π’π˜ π“π’π˜ ππ€ππƒπ€π‹πŽ π…πˆπ…πˆπƒπˆπ€ππ€ππ€

Β  Β Napiaka-peo ny mpikambana eo anivon’ny TGV Bealananaβ€š manoloana ny taratasy fanendrena β€œcoprΓ©sident TGV” miparitaka ao an-toerana. Nambaran’izy ireo fa manakorontanaβ€š tsy ilaina ny fametrahana izany no tsy laharam-pahamena ka takian’izy ny famoanana io taratasy fanendrena Io.

Β  Β Tsy misy fanajanaβ€š tsy nisy fampahafantarana anay mpikambana efa 05 taona tato amin’ny TGV io fanendrena io. Raha tiana ny hampisy filaminana sy fangaraharana amin’ny fitantanana ny antoko dia tokony mba nisy fampahafantarana na fifidianana nataoβ€š hoy ireo mpikambana tsy mankasitraka ny fanendrena an’ny Solombavambahoaka voafidy ao an-toerana izay notendrena tampoka ho filohan’ny TGV miaraka amin’ingahy Ben’ny tanΓ na Bealanana (coprΓ©sident).

Β  Β Nanambara izy ireo fa tsy mandΓ  ny fiarahamiasa fa ny fanomezana tsinontsinona ny mpikambana ary tsy fanarahana ny lamina misy ao anaty antoko ny tsy eken’izy ireoβ€š ka mitaky famoanana ny taratasy fanendrena ary miantso ny filoha nasionaly TGV hijery akaiky sy andinika ny tranga misy ao an-toerana.

Β  Β Raha ny angom-baovao voarainay dia nisisika mafy ho kandida IRMAR ny solombavambahoaka voafidy ao an-toerana io fony mbola kandida fa tsy nahita rirany tamin’ny mpiatantana TGV amin’ny faritanin’i Mahajanga saingy izao napetraka ho filoha mpitarika TGV miaraka amin’ny filoha am-perinasa izay kandida ho solombavambahoaka tao ihany koa fa tsy lany.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment