πππ πππ ππππππππ : ππππππππ ππππ πππππππ ππ πππππππ ππ πππππππππ π’πππ πππππππ πππππππππ
Β Β Teo aminβny Rond Point Antsohihy renivohitry ny faritra Sofia no nanatanterahana ny lanonana ara-miaramila namindrana fibaikoana aminβny Kolonely Ando Mamisoa Rakotondravonimananoro, ho Commandant Bataillon d’infanterie Antsohihy nisolo anβny Kolonely Bakoize Merrick izay nahazo famindran-toerana any Antsiranana.
Β Β Teo ambany fiahianβny Jeneraly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo – Chef d’Etat Major des ArmΓ©es sy Jeneraly Rakotoson Jocelyn – Chef d’Etat-Major de l’ArmΓ©e de terre ary Kolonely Randriasoloarimina Arimanana – Commandant de Brigade d’infanterie Nord-Ouest Mahajangaβ ny lanonana izay nontronon’ny Solombavambahoakanβi Madagasikara voafidy tao Port BergΓ©β ny Governoranβny faritra Sofiaβ ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihyβ mpikambana ao aminβny OMC Sofiaβ ireo Talem-paritra maro sy Benβny tanΓ na ary ireo manam-boninahitra sy vahoaka maro.
Β Β Fiarovana sy filaminana ny Tafika Malagasyβ mandray anjara aminβny fampandriana fahalemana miaraka aminβny Polisy sy Zandary. Misy ny βpatrouille de sΓ©curitΓ© ruraleβ efa ataonβny Tafika ka miantso ny vahoaka mba hanome loharanom-baovao mari-pototra ahafahana mamongatra ireo olon-dratsyβ raisina ary atao tsy ambaratelo izanyβ hoy ny Jeneraly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoariveloβ Chef d’Etat Major des ArmΓ©es niantso vahoaka hatoky ny mpitandro filaminana fa indrindra ny Tafika Malagasy.
Β Β Nisy ny fanazaran-tenaβ filatsana an-helonβaina nataonβireo miaramila nahazo fiofanana momba izany teto Antsohihy nandritra ny tontolo andro ary nitohy androany izany.