ππππππππ πππππ ππππππππππππππβ πππππ-πππππ πππππππππ πππΓππ ππππππ πππππππππ : ππ πππππππππ πππππ ππ ππππππ πππ – ππ π πππππ πππ πππ πππππ ππππππππ ππ ππππππ
Β Β Nomena voninahitra farany tao aminβny lapanβny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy ny vata-mangatsikanβitompokolahy Hery Rakotondravony – Mpitsara Solon-tonia mpampanoa lalΓ na ambony Mahajangaβ izay maty nisy namono taminβny fomba mahatsiravina ary nalevina antsokosoko tao Antsahadinta Antananarivo.
Β Β Ny mpamilinβity Mpitsara ity sy ny sakaizany ihany no tomponβny ketrika malotoβ namono nahafaty azy ary nandevina ny nofo mangatsika antsokosoko taminβny taninβireo ray aman-dreniny rehefa nahazo alalana. Efa lasanβio vehivavy sakaizanβny mpamily naniraka azy hamono mpitsara io ny vola tany aminβny Banky sy fiaraβ araka ny fanazavana.
Β Β Miisa 15 ny olona voasambotra sy voasaringotra aminβity raharaha ityβ raha ny vaovao nomenβny Polisim-pirenena Malagasy.
Β Β Raha tsy misy ny fiovana dia hatao rahampitso sabotsy 29 Jona 2024 ny fandevenana ny nofo mangatsikanβity Mpitsara ity any Befotaka Avaratra. Nitondra teny fankaherezana hoanβny fianakaviana ny fitondram-panjakana aty aminβny faritra Sofia izay notarihin’ny Governora Faritra Sofia sy ny Lehiben’ny Prefektiora Antsohihy nandritra ny fandalovany tao aminβny fitsarana ambaratonga voalohany. Nandray sy nanome voninahitra ny Razana taminβny alalany fanaovana Β« Piquet Β» ny Mpitsara namany ato aminβny faritra Sofia sy avy aminβny fitsarana ambony Mahajanga. Efa misy Mpitsara avy aminβny Cours SuprΓͺme izay zanaky ny kaominina Befotaka Distrika Analalava koa tonga hiatrika ny fandevenana rahampitso sabotsy io.