a
FandraisanaVaovaom-paritraπŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ : πŒππˆπ€ππ€π“π‘π€ π€πŒ-ππŽπ‹πŽππ˜ π“π’π˜ π€π…π€πŠπ€ ππ€ππ€πŽ π…π€ππ€πƒπˆππ€ππ€

πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ : πŒππˆπ€ππ€π“π‘π€ π€πŒ-ππŽπ‹πŽππ˜ π“π’π˜ π€π…π€πŠπ€ ππ€ππ€πŽ π…π€ππ€πƒπˆππ€ππ€

πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ : πŒππˆπ€ππ€π“π‘π€ π€πŒ-ππŽπ‹πŽππ˜ π“π’π˜ π€π…π€πŠπ€ ππ€ππ€πŽ π…π€ππ€πƒπˆππ€ππ€

Β  Β Velon-taraina ity renim-pianakaviana ity fa tsy afaka nandray anjara amin’ny fanadinana Bakalorea 2024 ny zanany kanefa nanefa vola sivy alina ariary (90 000Ar) tamin’olona mitana andraikitra ao amin’ny lycΓ©e Victor Miadana Mandritsara izy.

Β  Β Voatonona ny anaran’i Zozo sy Marcelin fa nampanantena fa hikarakarana momba ny antotan-taratasy ahafahana mampiditra ireo ankizy ho kandida miatrika fanadinana amin’ity taona ity.

Β  Β Tonga ny fotoana hanaovana fanadinana androany 22 Jolay 2024β€š tsy nahazo taratasy fiantsoana (convocation) ireo mpianatra ary tsy hita anaty lisitry ny mpiadina ihany koa. Nohadihadiana sy nanontaniana ireo tompon’andraikitra mikirakira fanadinana isan’ambaratongany fa tsy misy antotan-taratasy tonga momba ireo ankizy ireo mihitsy any amin’ny tompon’andraikitra sy sampandrahara misahana ny fanadinana.

Β  Β Kivy ireo mpianatra ka saika hidaroka ilay olona naka vola sy nampanantena azy ireo fa notambatambazin’ny ray aman-dreniny amin’ny maha Kristianina fa na izany mitaky famerenam-bola ireo ray aman-dreny lasibatry ny fitaka sy fisolokianaβ€š voalaza fa am-polony izy ireo raha ny resaka mielyβ€š 03 amin’izy ireo no tafaresaka tamin’ny mpanao gazety. Arahintsika eto ny mety ho tohinyβ€š andrasana ihany koa ny fandrasaina andraikitry ny fitondram-panjakana manoloana izao toe-draharaha ao Mandritsara izao.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment