ππππππππππ πππ πππππ π ππππ : πππππ πππππβπππππ ππππ ππππππππππ ππ πππππππππππ ππππβππ ππ πππ πππ π
Β Β Voaheloka 15 taona an-trano maizina sazy mihatra noho ny vononβolona ny taona 2019 ity rangahy manao ankajo mavomavo izay voasambotra taminβny raharaha fakana an-keriny (kidnapping) tao Iavoloha ny volana septambra 2024 teoβ raha ny angom-baovao.
Β Β Voasambotra noho ny ezaka nataonβny mpitandro filaminana izy ny herinandro teo. Manontany tena ny mpanara-baovao sy ny olom-pirenena manoloana ny tranga misy ankehitriny : Inona no zava-misy ao aminβny fonjanβny Tsiafahy ? Ahoana no nahafahanβolona efa voaheloka 15 taona mivezivezy manao habibiana aty ivelanβny fonja nefa tsy mbola nisasaka ny saziny ?
Β Β Andrasana ny fanazavana avy aminβny manampahefana sy ny tompon’andraikitra ary manaitra ny Minisitry ny fitsarana mba hijery akaiky ny goragora sy gaboraraka ao anaty fonja fa ny vahoaka hatrany no mahita faisana aminβny fisianβireo tsy maty manota.