π ππππππππ πππππππππππ πππππππππ πππππππ πππππππππ ππ πππππππ πππ πππππππππ ππππ ππππππ ππ ππππππ
Β Β Ho tohin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy natombok’i Rtoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana dia nanantanteraka Fitsarana mitety vohitra ihany koa ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Ambaja ny 28 jona 2024 teoβ ka nizara didim-pitsarana misolo soram-piankohonana maimaimpoana ho an’ny Zaza latsaka ny 18 taona.
Β Β Natao izany mba hisitrahan’ireo ankizy izay tsy mbola manana kopia lava ny zo hanana anarana, izay zo fototra voalohany tokony ananan’ny olombelonaβ ahatonga azy ho olom-pirenena vanona.
Β Β Marihina fa ao anatin’ny fanatanterahana ny andry voalohany napetraky ny Filoham-pirenena ny fanomezana didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana na ny « Fanandratana ny maha olonaΒ Β».