a
FandraisanaVaovaom-paritra𝐂𝐑 πŒπ€π‘πŽπ€π‹π€ : π‡π€πŠπ€π’πŽππ€π‘π€ππ€β€š πŒπ€π˜ ππˆπ’π˜ ππ€ππƒπŽπ‘πŽ 𝐍𝐘 π“π‘π€ππŽ π’π„πŠπŽπ‹π˜ ππ€π’π‚π€π‹πˆππ„ π‘πŽπ†π„π‘ – π€πβ€™ππ˜ πŠπ€ππƒπˆπƒπ€ 𝐍°𝟎𝟐

𝐂𝐑 πŒπ€π‘πŽπ€π‹π€ : π‡π€πŠπ€π’πŽππ€π‘π€ππ€β€š πŒπ€π˜ ππˆπ’π˜ ππ€ππƒπŽπ‘πŽ 𝐍𝐘 π“π‘π€ππŽ π’π„πŠπŽπ‹π˜ ππ€π’π‚π€π‹πˆππ„ π‘πŽπ†π„π‘ – π€πβ€™ππ˜ πŠπ€ππƒπˆπƒπ€ 𝐍°𝟎𝟐

𝐂𝐑 πŒπ€π‘πŽπ€π‹π€ : π‡π€πŠπ€π’πŽππ€π‘π€ππ€β€š πŒπ€π˜ ππˆπ’π˜ ππ€ππƒπŽπ‘πŽ 𝐍𝐘 π“π‘π€ππŽ π’π„πŠπŽπ‹π˜ ππ€π’π‚π€π‹πˆππ„ π‘πŽπ†π„π‘ – π€πβ€™ππ˜ πŠπ€ππƒπˆπƒπ€ 𝐍°𝟎𝟐

Β  Β Efitrano fianaran’ny mpianatra ao amin’ny fokontany Antanagnamboβ€š an’i Pascaline Dorissine – Kandida NΒ°02 amin’ny fifidianana Ben’ny tanΓ na ao amin’ny kaominina Maroala ity may nisy nandoro ny alin’ny alatsinaina 21 Oktobra 2024 teo. Lasa lavenona ny dabolio sy fitaovana rehetra tao anatiny ary tsy nisy azo noraisina.

Β  Β Noho firaisankina sy fiaraha-mientan’ny fokonolona ao an-tanΓ na dia tsy nandika andro akoryβ€š fantatra ny olona tompon’antoka tamin’izany. Rangahy iray nisy nanakarama 350 000 Ariary no nandoro ity sekoly fanovozan’ny mpianatra zana-bahoaka ao amin’ny kaominina Maroala fahalalana ity.

Β  Β Ny Talen-tsekoly tsy miankina izay ao an-tanΓ na ihany no voalaza ho naniraka sy nanakarama azy handoro trano io noho ny fialonana amin’ny firoboroboan’ny sekoly sy ny vokatra tsara azo mandritra ny taom-pianarana.

Β  Β Efa samy nihaiky ny heloka vitany izy 02 lahy tompon’antoka ireoβ€š efa any amin’ny mpitandro filaminana ary mandeha famotorana ka hoatolotra fitsarana izy ireo aorian’izay.

Β  Β Noho ny fifampitsinjovana sy firaisankina milamina ao an-tanΓ na dia nanapa-kevitra ny fokonolona nandritra ny fivoriana fa izy ireo ihany no hanarina ity sekoly may kila nisy nandoro ity. Amin’ny maha tompony sekoly an’i Pascaline kosa dia hitondra izay eo ampelatanany izy hanarina izany miaraka amin’ny fokonolona faran’izay haingana ho fitsinjovana ireo ankizy mpianatra any an-toerana araka ny fanazavana voaray.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment