πππππππππ : ππππππππ πππ ππππππ ππππππππππ – ππππππβππ πππππ ππ πππππππβ πππππ ππππππ ππππβππ πππππ
Β Β Hatairana no nandrenesanβny Pasitera aminβny fiangonana Kristianina iray ao Bealanana ny feon-jaza mitomany mafy eo ambaravarany androany talata 09 Jolay 2024 tokony ho taminβny 08 ora alina teo.
Β Β Raha ny fanazavana dia nisy nametraka tao ambany fiarany aminβizao andro mangatsikaβ vanim-potoana ny ririna izao ity zazakely tsy nitafy lamba ityβ miaraka aminβny taratasy kely mirakitra ny hafatra nalefanβny Reniny.
Β Β Voalaza ao anaty taratasy fa tsy ekenβny Rainy izay voatondro ho mpanompo sampy hoetina mivavaka ilay zazakely ary kasainy ho vonoina ka nitady hevitra ny hanafenana sy hanavotana an-janany ilay renim-pianakaviana izay nanao antso avo aminβny tokony hikarakarana ny zanany mandrapaha hisiany vahaolana.
Β Β Nampandrenesina ny mpitandro filaminana sy manampahefana an-tanΓ na momba ity tranga ity. Misokatra ny fanadihadiana mba ahitana ny marinaβ efa nahazo lamba nirakofana ilay zaza ary efa eo ambany masonβilay Pasitera ankehitriny.