a
FandraisanaVaovaom-paritraπ€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : πŒπˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππ€ππƒπ‘πˆπ€π-π“π€ππ˜ π€π“π€πŽππ˜ π™π€ππƒπ€π‘π˜

π€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : πŒπˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππ€ππƒπ‘πˆπ€π-π“π€ππ˜ π€π“π€πŽππ˜ π™π€ππƒπ€π‘π˜

π€ππ“π’πŽπ‡πˆπ‡π˜ : πŒπˆπ“πŽπ‡π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππ€ππƒπ‘πˆπ€π-π“π€ππ˜ π€π“π€πŽππ˜ π™π€ππƒπ€π‘π˜

Β  Β Tsy mipetraka ao amin’ny birao na manao domy araka ny fanambanian’ny sasany azy ihany ny Zandarimaria fa midina ifotony manao hazalambo ireo dahalo mpampihorohoro vahoaka ary mifampitifitra amin’izy ireo ka misy indraindray lavo ampanaovana asa ary indraindray koa mahafaty dahaloβ€š midika izany fa mihatra aman’aina ny asa fampandriana fahalemana saingy efa nivoady hoan’ny Tanindrazana ny mpitandro filaminana.

Β  Β Nisy ny fisafoana natao amin’ireo toerana mampiahiahy sy itoeran’ireo dahalo. Tokony ho tamin’ny 04 ora marainaβ€š nifanehitra tamin’ny dahalo miisa 06 ny Zandary tarihin’ny komandy ny vondron-tobim-paritra Antsohihy izay any ifotony ka raikitra ny fifampitifirana tao Matsaborimilanja, fokontany Ambolodibe kaominina Anahidrano Distrika Antsohihy.

Β  Β Tsy nisy aina nafoy na teo aza ny fifampitifirana anaty ala sy aizina vao marainaβ€š nirifatra nandositra ireo dahalo fa tavela teo kosa ny basy lava vita tΓ nanaβ€š henan’omby – fen’ombyβ€š tavohangy labiera maroβ€š kojakojan-dakoziaβ€š sakaosy misy fanamiana marmara ary omby 05 avy nangalarin’izy ireo.

Β  Β Nahiditra valam-pamonjana (fourriΓ¨re) Anahidrano ireo omby koa asaina haka izay tompony. Mitohy ny ezaka atao ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary famongorana ireo dahaloβ€š araka ny fanazavana voaray.

Zarao :
Omeo naoty ny lahatsoratra

contact@presse-aboahoankiaka.mg

-

Leave A Comment